Le Drapeau / Ny sainam-pirenena
Loko telo no manome ny sainam-pirenena Malagasy, ny fotsy mitsangana, ny mena mitsivalana ambonin’ny maintso mitsivalana ihany koa. Mitory ny endrin-javaboahary misy eto Madagasikara ireo loko telo ireo ary mitory ny firaisam-pirenena.
Ny mena na mena ràn’omby izay mariky ny fiandrianinana, ny fandresena dia loko natokana hoan’ny mpanjaka tany aloha, taty aoriana kosa dia nitory ny firaisam-pirenena satria lokon’ireo biriky tanimanga mandrafitra ny ankamaroan’ny trano miorina manerana ny Nosy.
Ny Fotsy dia mariky ny fahadiovana, ny filaminana ary ny fahalalahana ary mariky ny lamba fitafin’ireo vehivavy malagasy ihany koa amin’ny andro rehetra na ankafaliana na ankaratsiana. Fotsy manjompika tahaka ireo salohim-bary rehefa fotoambokatra ihany koa, ny vary izay fototsakafon’ny Malagasy.
Ny maintso izay mariky ny fanantenana dia mampiseho ny hamaintsomavan’ny Nosy izay mampifandray ny Malagasy iray manontolo. Saika manerana ny Nosy dia ahitana maintso avokoa na ny ravinala izany mandrafitra ny any anindrantany, na ireo voly sy ala maintso manemotra ny afovoantany
L’hymne national / Ny hiram-pirenena
Ry Tanindrazanay malala ô !
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.Tahionao ry Zanahary
‘Ty Nosindrazanay ity.
Hiadana sy ho finaritra
He ! sambatra tokoa izahay.Ry Tanindrazanay malala ô !
Irinay mba hanompoana anao.
Ny tena sy fo fanahy anananay,
‘Zay sarobidy sy mendrika tokoa.Tahionao ry Zanahary
‘Ty Nosindrazanay ity.
Hiadana sy ho finaritra
He ! sambatra tokoa izahay.Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan’ny satanao.Tahionao ry Zanahary
‘Ty Nosindrazanay ity.
Hiadana sy ho finaritra
He ! sambatra tokoa izahay.La devise / Ny teny filamatra
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
Fitiavana = Ny fitiavana eto dia hetsim-po mitarika sy manosika hanasoa ny mpiara-belona
Tanindrazana = tany ampiandohana ny teny hoe Tanindrazana dia tany nolovaina avy amin’ny razana, satria tokoa mantsy tsy azo amidy na afindra amin’ny vahiny ny tany araky ny baikon’ny mpanjaka araky ny làlana nivoaka ny 29 mars 1881. Ny mpanjaka tokoa no tompon’ny tany tany aloha ary izay omeny izany dia tsy mahazo mivarotra izany amin’ny vahiny satria ny fianakaviana nipoirana no niasa sy nifofotra nahazoana ireo tany nonenana sy niasana noho ny fitsinjarana isam-poko nisy tamin’izany fotoana izany. Taty aoriana noho ny fivoaran’ny fiarahamonina dia niitatra ilay foko ka lasa firenena « Ny ranomasina no valam-parihiko, hoy Andrianampoinimerina » ka zary lasa fomba amampanao ny fiarovana ny tany izay niadian’ireo razana ny nitanana azy ireny sy namindra azy ireny amin’ny taranaka ka nanjary ho TANINDRAZANA.
Fandrosoana = Ny fandrosoana eto dia isan’ny tanjona tratrarin’ny firenena malagasy iray manontolo mba hampiadana ny Malagasy isambatan’olona ka hisian’ny fampiroboroboana ny firenena mba horeharehan’ny taranaka fara amandimby.
Ny Fetim-pirenena Malagasy : 26 Jona
02 taona taorian’ny nilazana an’i Madagasikara ho Repoblika manana ny fahaleovantenany manoloana ny Vondrona frantsay dia nahazo ny tena fahaleovantenany tanteraka i Madagasikara ny 26 jona 1960. Ny Taona 1896 no lasa zanatany Frantsay i Madagasikara ary nivadika ho faritany frantsay andafindriaka ny taona 1946. Niady ireo maherifon’ny firenena ny taona 1947-1948 hoamin’ny tena fahaleovantenam-pirenena tena izy ka ny taona 1950 dia niha-nisintaka tsikelikely tamin’ireo tany nozanahany ny Frantsay ka isan’ny nahazo izany i Madagasikara ny taona 14 oktobra 1958 ary notolorana izany filohan’ny Repoblika voalohany ny faha-26 jona 1960
LE SCEAU DE LA RÉPUBLIQUE / NY TOMBOKASEM-PANJAKANA
Niova ny taona 2010 araky ny lalam-panorenana vaovao lany tamin’ny Novambra 2010 ny tombokasem-panjakana izay ahitana ny takelaka volamena misy sarin’i Madagasikara eo afovoany lolohavina lohan’omby, ialohavana ravinala misandrahaka ary voasampana salohimbary matoy manodidina amin’ny andaniny roa. Hita ery ambony ny soratra Repoblikan’i Madagasikara ary ety ambany kosa ny teny filamatra : « Fitiavana-Tanindrazana- Fandrosoana ».
Les palais / Ireo Lapam-panjakana
Ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra
Ny taona 1890 ka hatramin’ny taona 1892 no naorin’ilay frantsay mpanorina trano malaza Jully ny Lapa etsy Ambohitsorohitra araky ny fangatahan’ingahy le Myre de Vilers tamin’ny Praiminisitra Malagasy tamin’izany fotoana Atoa Rainilaiarivony. Noho ny tsy azo ivarotana ny tany amin’ny vahiny dia nampanofain’i Praminisitra Rainilairivony ny taniny manokana tetsy Ambohitsorohitra ny Résident le Myre de Vilers ka ny Vice Résident Dumas no nanatontosa izany niaraka tamin’ny Mpitsara Malagasy Ramarosaona, niantsoroka ny antotantaratsy izay natrehin’ny vavolombelona roa Rasanjy sy Rabibisoa. Maro ireo toerana saika nanorenana azy ity toy ny tetsy Ambohijanahary manandrify ny Lapan’ny Mpanjaka, tetsy Soanierana ary tetsy Antanimena siangy ny tetsy Ambohitsirohitra no niafaran’ny fifanarahan’ny roa tonta ny 01 oktobra 1886. Nandritra ny 50 taona no nifarahana fa hanofan’ny Résident Frantsay ny tany ka 1500 piastres isantaona no hofany ka aorian’ny fahataperan’ny fepotoana nifanarahana dia miverina amin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony sy ny taranany ny tany sy ny trano miorina eo amboniny araky ny fifanarahan’izy ireo.
Io no trano lehibe fiasana sady fonenan’ireo Résidents izay toerana nankalazaina ny fetim-pirenena Frantsay isaky ny 14 Jolay ary nanasana ireo olo-manakaja maro teto amin’ny tany sy ny firenena notarihin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony sy ireo vahiny frantsay nonina teto amintsika.
Ny 14 Jolay 1892 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy io lapa io izay natrehin’ny Résident mpisolo toerana Lacoste sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony. Lasa toerana fonenan’ny Résident Général Larrouy izy nanomboka ny taona 1893. Ny taona 1896 vao nitsidika ity lapa ity ny Mpanjaka ranavalona faha-III ny volana Jona raha namangy ny vadin’ny Résident Général Laroche; ary nanatrika ny fanasana nankalazana ny fetimpirenena frantsay tao izy ny 14 Jolay 1896 rehefa avy nanatrika ny fisafoana andiantafika teny Andohalo.
Résidence de France no anarana nisaloran’ny Lapa tamin’izany ary isan’ireo trano vita biriky sy vita maoderina izy taorian’ny Lapan’ny Mpanjaka sy ny Lapan’ny Praiminisitra. Maro ireo hazo sarobidy nentina nanorina sy nanaingo ity toerana ity toy ny voamboana, ny varongy, ny vandrika, ny andramena ? Nisy mihitsy aza ireo karipetra lafo vidy sy manatantara nafarana avy any Frantsa nentina nanaingo ity toerana ity izay novokaran’ny Tapisserie des Gobelins.
Aty andafy atsimo dia midadasika ny zaridaina lehibe manemotra ny farihin’Anosy, maro ireo asa vy sy sokitra vy manemotra ny tànana. Tamin’izany fotoana izany dia nahitana soratra manamarika ny andro nitokanana ity toerana ity norafetina tamin’ny vatokarangana milaza hoe : « Notokanan’ny Résident Général Bompard, ary naorin’ny Mpanorin-trano Jully ». Nisy ihany koa soratra tamin’ny vato sokay nahitana ny anaran’ireo mpiandraiki-draharaha Frantsay nonina teto Madagasikara toy ny « Mpiadidy, ny Governora Frantsay teto Madagasikara nanomboka tamin’ingahy Pronis, ireo Masoivoho ary ireo Mpiandraiki-draharaha ary Governora Jeneraly niasa sy nonina teto ».
Résidence de France, Lapan’ny Governora Jeneraly Frantsay, toeram-ponenana sy fiasan’ireo Masoivoho frantsay niasa sy nonina teto Madagasikara ity toerana ity ary natolotr’izy ireo ny fitondram-panjakana malagasy ny taona 1975 fony faha-Repoblika faha-2.
Nampiasain’ireo filoha nifandimby ity Lapa ity hatramin’ny taona 1999, izay nanoloran’Atoa Didier Ratsiraka azy ny tànanan’Antananarivo ny taona 1999 nandritra ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Lapan’ny Antenimieran-doholona tetsy Anosy. Ny taona 2002, ny faha 22 ny volana Janoary naverin’Atoa Marc Ravalomanana ho Lapam-panjakana fiasan’ny filoham-pirenena indray ity Lapa ity ka lasa nantsoina hoe « Petit Palais » hanavahana azy amin’ny lapam-panjakana etsy Iavoloha izay toeram-ponenana sy fiasan’ny filoham-pirenena ihany koa.
Le Palais d’Iavoloha / Ny lapam-panjakana Iavoloha
Ny taona 1983 no nanomboka ny asa fanorenana ny Lapam-panjakana Iavoloha izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny Filoha Didier Ratsiraka sy ny Filoha Koreana Avaratra Kim il Sung. Nampihatra ny fotokevitra Djoutché tokoa mantsy ny Filoha ratsiraka tamin’izany fotoana izany noho ny safidiny niorina tamin’ny firehankevitra sosialista izay nitondrany ny firenena. Nanditra ny 06 taona ny asa fanorenana ity Lapa ity ka natao ny fanokanana iznay tami’ny fomba ofisialy ny taona 1989 izay niantombohan’ny andiantaona faha -3 nitondran’atoa Didier Ratsiraka.
15 km miala ny renivohitra no misy ity Lapam-panjakana ity, fotsy manjopiaka ary merinerina antampon’ny havoana manamrona ny lalampirenena faha-7 mianatsimo an’Antananarivo no misy azy.
Ity no toeram-piasana ara-pomba ofisialin’ireo Filoham-pirenena rehetra nifandimby, ny Filoha Didier Ratsiraka irery ihany no nanorim-ponenana teto amin’ity Lapa ity, ireo Filoha nifandimby kosa dia nanao izany ho toeram-piasana sy toerana fandraisana ireo vahiny manakaja sy ireo lanonam-panjakana goavana toy ny fifampiarahabana tratry ny taona sy ny lanonana fankalazana ny faha 26 jona, fetim-pirenena. Ny Filoha Zafy Albert, ny Filoha Marc Ravalomanana, ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy nisy nipetraka teto amin’ny lapa avokoa fa nijanona tany amin’ny toeram-ponenany talohan’ny naha Filoha azy ireo : etsy Ivandry hoan’ny voalohany, etsy Faravohitra hoan’ny faharoa ary etsy Ambatobe hoan’ny fahatelo. Intelo narenina ity Lapa ity nandritra ireo fitondrana nifanesy noho ireo fahasimbana madinika nisy ary noho ny tsy fisian’ny fikarakarana azy araky ny maha Lapam-panjakana azy firy tamin’ireo mpitondra nifandimby.